Lasa (H. Ranaivo / J.M. Bontemps)

Lasa (Hanitra Ranaivo / Jean – Marc Bontemps)

Indray andro iray ho hadino daholo ny momba ahy 

Indray andro iray tsisy tavela ho dify lavitra any 

Indray andro iray lasa any tsy ary tazomina

Indray andro iray tsy ho re intsony ny onja peo 

Indray andro iray ireo tononkira tsisy ho tadidy 

Indray andro iray lasa any tsisy tahiry 

Ho lasa daholo ny fahatsiarovana
Tarehinao sombiny sisa tavela
Toy ny sary miamavo aloha
Na koloina aza hanjavona ihany
Toy ny alahelo halefaka hatrany resiny ny taona resiny foana 

Indray andro iray hiova daholo ny manodidina ahy 

Indray andro iray endrika vao noho hatsagan-drivotra 

Indray andro iray loko hafa hosoratra an-danitra

Ho rava daholo ny andry vitanao

Tsisy ho hampitàna fa toy ny fasika 

Na tazomina mafy aza

Tsy voatana an-tanana fa hiparitaka eo alohanao 

Toy ny trano mirodana entin-drano

Resin’ ny orana resiny foana

Resin’ny taona resiny foana

Lasa any lasa any lasa any lasa any 

Un jour on m’oubliera, plus rien ne restera, ma musique, mes paroles, mon visage, comme sur les photos qui jaunissent… puis s’effacent, comme le sable que l’on ne peut retenir ou ces maisons emportées par l’eau… 

Hommage à la chanteuse Lhasa De Sela partie trop tôt en 2010 

Someday I will be forgotten, nothing will remain, my music, my words, my face, like the pictures that turn yellow… then disappear like sand that one can not hold back or those houses taken away by water… 

Tribute to the singer Lhasa De Sela gone too early in 2010 

Pour ceux qui rêve d’accompagner un jour Hanitra à la guitare.